HOME PAGE
ABOUT THIS SITE
KNOWING GOD
OTHER LANGUAGES
MEDIA CENTER
STORE LINKS
FLL DEVOTIONALS
CHILDREN'S FLL
BBBBBBB
HOW TO GET INVOLVED...
SHARE FLL
TELL YOUR FLL STORY
NEWS UPDATES
RELATED LINKS
MALAGASY HOME PAGE

Malagasy Father's Love Letter

Anaka

Tsy fantatrao angamba Aho,
anefa Izaho dia mahalala tsara anao
Salamo 139:1

Fantatro ny fipetrakao sy ny fitsanganao
Salamo 139:2

Fantatro tsara ny halehanao rehetra
Salamo 139:3

Na ny volon-dohanao aza dia voaisako avokoa
Matio 10:29-31

Satria nahariko tahaka ny endriko ianao
Genesisy 1:27

Eo amiko no hivelomanao sy
hihetsehanao ary hiainanao
Asan'ny Apostoly 17:28

Satria terako hianao
Asan'ny Apostoly 17:28

Fantatro ianao fony ianao tsy mbola noforoniko
Jeremia 1:4-5

Notendreko ianao mba hofiderana ny voninahitro
Efesiana 1:11-12

Tsy zava poana ianao, fa ny andro voatendry ho anao
dia voasoratra eo amin'ny bokiko
Salamo 139:15-16

Notendreko ny fotoan'andro hivelomanao
sy ny faritry ny fonenanao
Asan'ny Apostoly 17:26

Mahatahotra sy mahatalanjona
ny nanaovako anao
Salamo 139:14

Izaho no namolavola anao tao an-kibon-dreninao
Salamo 139:13

Izaho no mpiaro sy namoaka anao
avy tany an- kibon-dreninao
Salamo 71:6

Nosimban'ireo tsy nahalala ahy ny hendriko
Jaona 8:41-44

Tsy lavitra aho ary tsy tezitra,
satria Izaho dia fitiavana
1 Jaona 4:16

Ny fitiavan'ny Ray no tiako haseho anao
1 Jaona 3:1

Satria zanako ianao ary Izaho no Rainao
1 Jaona 3:1

Tiako mihoatra nohon' ny fitiavan'ny
rainao niteraka anao ianao
Matio 6:7

Satria Izaho no fahantanterahan'ny Ray
Matio 5:48

Ny fanomezan-tsoa rehetra
azonao dia avy aty amiko
Jakoba 1:17

Izaho no mihahy sy mikarakara ny ilainao rehetra
Matio 6:31-33

Ny fikasako ny hoavinao dia fikasana feno
fanantenana hahatonga fiadanana
Jeremia 29:11

Fa fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
Jeremia 29:11

Ny zava-tsoa tiako homena anao
dia tsy voaisa tahaka ny fasika
Salamo 139:17-18

Hifaly eo aminao amin'ny fihobiana Aho
Zefania 3:17

Tsy hitsahatra amin'ny fahasoavako ho anao Aho
Jeremia 32:40

Satria rakitra soa ho ahy ianao
Eksodosy 19:20

Hamboly anao amin'ity tany ity amin'ny foko
rehetra sy ny fanahiko rehetra tokoa Aho
Jeremia 32:41

Hampisehoako zavatra lehibe sy
saro-pantarina ianao
Jeremia 33:3

Raha hitady Ahy amin'ny fonao
rehetra ianao dia hahita Ahy
Deoteronomia 4:29

Raha miravoravo amiko ianao dia
homeko anao izay hirin'ny fonao rehetra
Salamo 37:4

Satria izaho no miasa ao anatinao
nanome anao ireny faniriana ireny
Filipiana 2:13

Fa Izaho mahay manao ny zavatra
rehetra mihoatra lavitra izay heverinao
Efesiana 3:20

Satria Izaho no manome fanantenana sy fampionona anao
2 Tesaloniana 2:16-17

Izaho no Rain'ny famimdrapo sy ny
fampiononana amin'ny fahoriana rehetra
2 Korintiana 1:3-4

Akaiky anao Aho rehefa torotoro
fanahy sy mangorakoraka ianao
Salamo 34:18

Tahakan'ny mpiandry ondry mitrotro
ny ondriny eo an-tratrany no hitrotroako anao
Isaia 40:11

Hofafako ny ranomaso rehetra amin'ny masonao
Apokalypsy 21:3-4

Ary hesoriko ny alahelo sy ny fitarainana ary ny
fanaintainana izay nahazo anao tety antany
Apokalypsy 21:3-4

Izaho no Rainao izay tia anao tahakan'ny
tiavako an'i Jesosy zanako
Jaona 17:23

Satria eo amin'ny Jesosy no nampahafantariko
ny fitiavako ho anao
Jaona 17:23

Jesosy no endriky ny tenako sy
famirapiratan'ny voninahiko
Hebreo 1:3

Tonga Izy hampiseho anao fa Izaho dia
momba anao fa tsy hanohitra anao
Romana 8:31

Ary Izy no niteny anao fa tsy nanisa
ny fahadisoanao akory Aho
2 Korintiana 5:18-19

Fa maty Jesosy mba hampihavana antsika
2 Korintiana 5:18-19

Ny nahafatesany no fampisehoako ny
fitiavako lehibe anao
1 Jaona 4:10

Nomeko anao ny tiako rehetra mba
ahazoako ny fitiavanao
Romana 8:31-32

Raha manaiky ny fanomezan'ny Jesosy
zanako ianao dia mandray Ahy
1 Jaona 2:23

Ary, tsy hisy hahasaraka anao amin'ny fitiavako
Romana 8:38-39

Misy fifaliana lehibe any an-danitra ny
amin'ny mpanota iray izay mibebaka
Lioka 15:7

Izaho no tena Ray,
ary ho Rainao mandrakizay
Efesiana 3:14-15

Ny fanontaniako dia...
Manaiky ny ho zanako ve ianao?
Jaona 1:12-13

Miandry anao Aho
Lioka 15:11-32

Ny Rainao izay tia anao
Andriamanitra Tsitoha.

Permission To Copy:
Please feel free to copy this text and share it with your friends as long as you do so free of charge
and you include the following copyright information..."Father's Love Letter Used By Permission Father Heart Communications Copyright 1999-2008 Translated by Zoely Canela www.FathersLoveLetter.com"

Home / Contact Us / Terms Of Use / Partners / Links / Copyright Info
© Father Heart Communications